Socio-eco

MPIASAN’NY KRAOMA BRIEVILLE: Tsy nahitam-bahaolana ny fihaonana tamin’ny tale jeneraly


Nanomboka ny taona 2016 no tsy naloan’ny orinasam-panjakana Kraoma ( Kraomita Malagasy ) ny Cnaps sy ny fiantohana ao amin’ny Havana kanefa noesorina ao amin’ny karama. Eo ihany koa ny momba ny convention collective ary ny fanitsakitsahana ny  « règlement intérieur ». Noho izany dia nisy ny fitarainana nataon’izy ireo teny amin’ny ministeran’ny asa, asam-panjakana ary  lalana sosialy ( FOP ) . « Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo tomponandraikitra teo aloha kanefa tsy nisy ny fandraisana andraikitra. Nifampiresaka tamin’ny tomponandraikitra ankehitriny koa izahay fa manaiky fotsiny izy ireo nefa tsy nisy ny fanatanterahana », hoy ny solon-tenan’ny mpiasa,  Andrianirina Dina. Nisy ny fampiantsoan’ny FOP Androany 08 Novambra 2019 notarihan’ny talen’ny asa ao amin’ny FOP mba ho fampihaonana ireo solon-tenan’ny mpiasa sy ny tale jeneralin’ny Kraoma, Rakotomanantsoa Nirina. Tsy nisy ny tapaka fa kosa hisy ny fivoriana iarahana amin’ny filan-kevi-pitantanan’ny orinasa mpanjakana ity amin’ireo solon-tenan’ny mpiasa mba amahana izao olana izao. Handrasan’ireo mpiasa noho izany ny fiantsoana azy ireo hanaovana ny fihaonana amin’ny filan-kevi-pitantanan’ny Kraoma .

Nomarihan’izy ireo fa amin’izao fandehanana aty amin’ny FOP izao dia nianto-tena izy ireo fa tsy nomen’ny orinasa saran-dàlana kanefa fampiantsona miaraka no nataon’ny FOP. Tsy fantatra ny antony, hoy izy ireo. Tokony 43 no hiatrika izao fampihaonana izao kanefa 25 ihany no tonga noho ny antony eo amin’ny saran-dàlana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *