Socio-eco

MPIASAN’NY FANANANTANY: Vonona hiady amin’ny kolikoly


Nampiseho ny fahavononany ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany (DGSF) izay eo ambany fiadidian’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitantanana ny fananantany (MATSF) ary ny mpiasa ao aminy fa hiady amin’ny kolikoly. Noraketina tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia fifanarahana arak’asa niaraka tamin’ny fikambanana “transparency International Initiative Madagascar” (TI-IM)sy ny birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly izany ny 17 oktobra 2018 izany. “Sehatra iray mora hanjakan’ny kolikoly ny fitantanana ny fananantany. Vonona hiady amin’ny kolikoly ny mpiasan’ny fananantany”, hoy ny tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany, Hasimpirenena Rasolomampionona. Nilaza kosa ny filohan’ny fikambanana TI-IM, Alex Rafamantanantsoa fa tanjon’ny fifanaraham-piarahamiasa ny fanadiovana ny sehatry ny fananantany.

Endrika kolikoly

Matetika ahitana ny endrika kolikoly ny famoahana antontan-taratasin-tany kanefa rovitra ny boky. “Hanjakan’ny mpanararaotra ny boky rovitra. Misy ny taratasy mivoaka kanefa tsy afaka mamoaka izany mihitsy ny sampandraharahan’ny fananantany rehefa boky rovitra”, hoy ny ny tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany. Ankoatra izany, ohatra nahitana endrika kolikoly teo amin’ny sehatry ny fananantany nolazain’ny tale jeneralin’ny BIANCO, Jean- Louis Andriamifidy ihany koa ny fisian’ny titra roa amina tany iray. Nambarany fa na dia nisy aza ny fifanaovan-tsonia ka tsy misy ny fanapahan-kevitra hiala amin’ny kolikoly dia tsy hisy ny fahombiazana. Manentana ny rehetra izy mba tsy hanaiky kolikoly.

Tsy handefitra

Nohazavain’ny tomponandraikitra teo anivon’ny TI-IM nandritra ny lanonana fifanaovan-tsonia ny votoatiny ny fifanarahana eo amin’ny DGSF, ny BIANCO ary TI-IM. Andininy valo no ifantohan’ny fifanarahana ka anisan’izany ny fametrahana rafitra manokana ao amin’ny DGSF iadiana amin’ny kolikoly, ny fanapariahana boky toro-làlana mirakitra ny sata mifehy ny fananantany sy ny dingana rehetra arahina momba ny fananantany… Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny DGSF, Hasimpirenena Rasolomampionona fa hanaramaso ny mpiasa rehetra manerana fari-piadidian’ny fananantany sy ny fandrefesantany eto Madagasikara sy hanao ny fanasaziana ity rafitra hohatsangana ity.

Lynda A.


One comment on “MPIASAN’NY FANANANTANY: Vonona hiady amin’ny kolikoly

  1. rabe

    Salama Tompoko,
    Saika mba hametraka fanontaniana azafady:
    Raha tany efa vita titre sy borne ve de mbola afaka ovaina refy?
    Raha afaka ovaina refy, iza no manapahefana afaka manova ny refy: ny ao am fitsarana ve? sa eny am topo? sa hafa?
    Misaotra mialoha

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *