Socio-eco

MPIASAN’NY FANANANTANY: Mirόna any amin’ny fitokonana faobe


Tsy nahitam-bahaolana ny 72 ora nomen’ny mpiasan’ny fananantany mivondrona ao amin’ny “syndicats des ingénieurs topographiques », « inspecteurs des domaines, contrôleurs des domaines » ary ny « assistants rédacteurs des domaines ». Manambara izy ireo fa hampihatra ny zony araka ny lalàna laharana 2003-011, andininy  faha-11 mifehy ny satan’ny mpiasam-panjakana. Noho izany dia ireo sendika voalaza etsy ambony dia manome fampilazana grevy (préavis de grève), 48 ora ny fitondram-panjakana. Manomboka ny alarobia 10 aprily 2019 amin’ny 8 ora maraina izany fitokonana izany.

Tsiahivina fa ny famoahana ireo naman’izy ireo voatazona am-ponja vonjimaika, voarohirohy nanao kolikoly momba ny raharaha Villa Elisabeth no fototry ny fitakian’ireto mpiasan’ny fananantany ireto. Nilaza izy ireo fa mpanantanteraka baiko ihany ireo namany kanefa izy ireo irery ihany no notazomina am-ponja fa  nahoana ireo nanome baiko sy ireo sampandraharaha mikirakira ny antontan-taratasy tany rehetra no tsy voasaringotra amin’ity raharaha ity.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *