Socio-eco

MPIANATRY NY ONIVERSITE EUROI : Ifandrombahan’ny orinasa


Mpianatra telopolo indray nahazo ny diplaoma Licence sy Ingéniorat. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 26 oktobra 2018 tao amin’ny espace Sombiniaiko Soavimbahoaka ireto andiany faha-28 misalotra ny anarana hoe : « émeraude » ireto. 19 tamin’ireto mpianatry ny oniversite EUROI (Espace Universitaire régional de l’Océan Indien) ireto no nahavita ny fianarany tao anatin’ny telo taona ary izao nahazo ny diplaoma licence izao. Nahazo ny diplaoma ingéniorat kosa ny 11 ambiny izay namita ny fianarany tao anatin’ny dimy taona.

« Polyvalent » ny mpianatra mivoaka ao amin’ny oniversite EUROI. Nambaran’ny filoha mpanorina ny oniversite, Randriamanantena Henriette fa mahafehy sehatra maro ny mpianatra mivoaka ao amin’ny EUROI satria miompana amin’ny « sciences de l’ingénieur » lalam-piofanana misy amin’ny EUROI. Mahay ny resaka « électronique », « télécommunication » ary « informatique » ny mpianatra rehefa vita ny fianarany. Izany indrindra no mahatonga ireo orinasa tsy miankina mihazakazaka maka ny mpianatra avy ao amin’ity oniversite ity. Tsy vitan’izany fa misy amin’ireo mpianatra nandranto fianarana tao no manana ny orinasany manokana. Betsaka ihany koe ireo mpianatra no miasa amin’ny sehatra miankina amin’ny fanjakana, araka ny fanazavan-dRandriamanantena Henriette. Nahazo fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) ny lalam-piofanana ao amin’ny EUROI.

Lynda A.


One comment on “MPIANATRY NY ONIVERSITE EUROI : Ifandrombahan’ny orinasa

  1. Rakotondrabe tojonirina

    Bonsoir ! Mahay ny mpianatra mivoaka ao
    fa tsy de tsararaha atao publication otranzao oe ifandrombahany orinasa . Satry ny mahay tsimba tia misehoseho . Fanamariana kely fotsiny

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *