Socio-eco

MPIANATRA MALAGASY TANY MAROC: Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana


Manana tamberinandraikitra ho an’ny tanindrazana. Niantoka ny fandefasana ireo mpianatra malagasy nahazo vatsim-pianarana tany Maroc ny fanjakana malagasy. Izany indrindra no antony niverenan’ireo mpianatra sasantsasany an-tanindrazana taorian’ny fahavitan’ny fianarany. Avy nifidy birao vaovao ny “association des anciens du Maroc » ka  ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Ampanihy Andrefana, Tsaradia Marco  no filoha vaovao ary Katsiha José no filoha lefitra. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao ny 08 novambra 2019 fa mahatsapa manana adidy amin’ny firenena ny tenany ka izay no nahatonga azy nitodi-doha nody. Torak’izay ihany koa Katsiha José , inspecteur de trésor. “Niantoka ny fianaranay ny fanjakana malagasy ka manana tamberinandraikitra atao aminy izahay. Mila averina amin’ny fanjakana ny traikefa azonay  tany Maroc”, hoy izy.

Ho fanamafisana ny fiarahamiasan’i Madagasikara sy Maroc, hitondrana ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena malagasy,  hanoroana lalana ireo mpianatra na mpiofana te hahazo vatsim-pianarana any Maroc fa indrindra hanampiana ny mpikambana amin’ny lafiny rehetra  no zava-kendren’ny “association des anciens du Maroc » izay hivondronan’ireo mpianatra malagasy nahazo vatsimpianarana tany Maroc. Hetsika maro ato ho ato no hotanterahin’ny fikambanana toy ny asa sosialy, fanampiana ireo mpianatra te handranto fianarana any Maroc…

Hatramin’ny taona 2004 dia 519 ny mpianatra na mpiofana nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny fanjakana marôkana. Nody an-tanindrazana ny  120. Teknisiana ny ankamaroan’izy ireo ary mitana andraikitra maro eto amin’ny firenena ny ankamaroan’izy ireo toy ny solombavambahoaka, “inspecteur de trésor”, mpitsara, mpisolovava sy ny maro  hafa. Miparitaka any amin’ny firenen-kafa  ny 100 amin’izy ireo ary mijanona miasa na manohy ny fiofanana ny ambiny. Nohamafisin’izy mirahalahy fa vao maika hanamora ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny fisokafan’ny masoivohon’i Madagasikara any Maroc. Miandry ny fanendrena ny Ambasadaoro sisa.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *