politique

MPANOHANA NY KANDIDA IRD AO BETROKA : « Nangala-bato ny kandidà laharana faha-4 »


Fitarainana etsy fitarainana eroa momban’iny fifidianana izay ho solombavambahoaka vao vita iny.  Nilaza ny nahatratra fangalaram-bato ny mpanohana ny kandidàn’ny IRD tany Betroka. « Tratranay nangala-bato ny kandidà laharana faha-4, Randrianasolo Jean Nicolas, kandidà tsy miankina. Ananay porofo avokoa ny fomba nataony », hoy Raholinarivo Paolo, mpanohana ny kandidà IRD ao Betroka. Fitanana an-tsoratra 51 nahitana hosoka maventy tamin’ireo 203 ananan’izy ireo ihany no naseho ny mpanao gazety omaly 07 Jona 2019. Mpifidy 4000 no voakasik’io fitanana an-tsoratra io izay nangalarina sy nahodikodina. Mieritreritra izy ireo fa  tokony tapitra hatreo ny fangalarana amin’ny fifidianana any an-toerana, ny fandikan-dalàna, fanaovana tsinotsinona ny vahoakan’i Betroka indrindra ny tsy maty manota. Tsy vao izao no nangala-bato io kandidà laharana faha-4 io fa efa nataony izany teo aloha, hoy hatrany izy.  « Mihevitra izy fa mbola fitondrana nampanjakazaka azy ka tsy ho maty manota. Mihevitra ihany koa izy fa mbola misy ny azo raisina nefa tsy mitombina ». Fomba fiasany tamin’ny andron’ny fitondrana HVM ny mibaiko ireo tomponandraiki-panjakana isan-karazany any an-toerana. Rehefa tsy manaraka ny baikony dia soloiny, hoy hatrany i Raholinarivo Paolo. Antony hitorian’ireto mpomban’ny kandidàn’ny IRD ireto ny fividianana ny safidim-bahoaka, fividianana ireo tomponandraiki-panjakana ao Betroka. Raha ny nambaran’izy ireo hatrany dia nomen’ity kandidà laharana faha-4 ity vola 200.000 Ariary avy ny tanana tsirairay ao Betroka. Noroasiny sy nampitahoriny ihany koa ireo solontenan’ny kandidà hafa mba tsy hanao ny asany ka mora tamin’ny solon-tenany no nifidy tamin’ny alalan’ny lavotondro. Ohatra amin’izany, ny tsy fitovian’ny vato nalefan’ny CENI sy ny olona nifidy. Raha 55 no isan’ny biletà tokana tao amin’ny biraom-pifidianana tao mahabo dia efa 100 mahery ny mpifidy voasoratra ao anatin’ny fitanana an-tsoratra. Natao teo anatrehan’ny vaditany avokoa ny fisian’ireo porofo sy ny vavolombelona rehetra ireo sady nanamarina izany isaky ny fitanana an-tsoratra, hoy izy. Noho izany dia manao antso  amin’ny HCC izy ireo mba hapiatra ny lalàna velona, ny lalam-pifidianana, hapiaro ny lalàna rehetra manasazy amin’ny  heloka be vava.

Nisafidy ny hangina sy tsy hamaly ireto mpanohana ny kandida IRD ireto kosa ny kandidà Randrianasolo Jean Nicolas tao amin’ny kaontiny facebook-ny. Miantso ny mponina rehetra ao Betroka kosa anefa izy hiandry am-pitoniana ny valim-pifidianana vonjimaika avoakan’ny CENI sy ny valim-pifidianana ofisialy avokan’ny HCC.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *