Sport

MPANJIFAN’NY ORANGE: Afaka manaraka ny vaovao momba ny « mondial 2018 »


Tontosa ny fifananaraham-piarahamaisa stratejika eo amin’ny « Jeune Afrique Media Group »  sy ny  Orange MEA. Manomboka izao dia afaka manaraka ny vaovao havoakan’ny « Jeune Afrique » ny mpanjifan’ny Orange amin’ireo firenena mampiasa ny teny frantsay. Ao anatin’izany ny firenena Malagasy. Afaka mijery ny vaovao rehetra, amin’ny fotoana rehetra mandeha ao main’ny jeune afrique.com amin’ny alalan’ny  finday « smartphone android » ny mpanjifan’ny Orange. Manomboka amin’ny septambra 2018, hizara ny “abonnement” an’ny Jeune Afrique izay hahazoana manaraka ny vaovao tsy misy fetra sy mijery ny magazine tahiry  ny Orange. Amin’ny alalan’ny Orange Money no handoavana ny sarany.

Tao anatin’ny 60 taona, mpandefa vaovao tsy manam-paharoa, voafakafaka tsara, manaraka ny toetr’andro sy haingana ny Jeune Afrique.  Handefa mivantana ny vaovao politika, sosialy, toe-karena, kolontsaina, fanatanjahantena ara-potoana (temps réel) trandrahan’ny Jeune Afrique ny « service live screen »  an’ny Orange. Ho an’ny mpakafy baolina kitra, mivoaka ao amin’ny Jeune Afrique  ihany koa ny lahatsoratra momba lalao iadiana ny tompondaka manerantany  ho an’ny baolina kitra (Mondial 2018).

 

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *