Mpandraharaha iray any Sambava no nisy naka an-keriny. Tranga tsy vaovao intsony eto Madagasikara izany. Saika isam-bolana dia ahenoana toe-javatra toa izao. Amin’ny ankapobeany dia velon’aina ny ankamaroan’ireo nobaboina. Voaloa ve ny vola be takian’ny jiolahy naka azy ireny sa nahay sy nahavita ny andraikiny ny mpitandron’ny filaminana ? Iza indray no ao ambadik’izay fakana an-keriny izay ? Iza no mila vola any ho any ? Sanatria ve misy ifandraisany amin’ny raharaham-pifidianana ? Ny tena mampalahelo ny toe-javatra toa izao dia mipaka any amin’ny tsy manan-tsiny na ny vahoaka foana izany. Ny eny ampelan-tanany foana no robaina sy atao ripaka. Ny ainy ihany koa no manefa raha manohitra na manakatsakana ny asan-jiolahy. Tsy mahasehaka ny isan’ny mponina ny isan’ireo mpitandron’ny filaminana. Raha ny saran-dàlana laniana isaky ny mivoaka any ivelany ny delegasiona mafonja tarihan’ny filoham-pirenena no atontona any amin’ny asan’ireo tandroka aron’ny vozona dia mety tsy niaina tsy fandriampahalemana toa izao ny isam-baravarana. Indrisy mantsy, vita hatreo amin’ny fifidianana ny ilàna ilay vahoaka.