Socio-eco

Mpanara-maso ny kandidà: Tafajoro ny komity


Natao hanandratra sy hanara-maso ny fampiharana ny “dina ara-pitsi-pitondrantena sy ny fahitsiana ho an’ireo mpilatsaka ho fidiana, ho fitoniana amin’ny fifidianana filoham_pirenena” ny komity iombonana ho amin’ny dina. Nampahafantarina ny 03 septambra 2018 teny amin’ny foiben’ny filankevitry ny fampihavanam-pirenena Malagasy (CFM) ny fijoroan’ity komity ity.  Mandrafitra ny komity ny andry sy rafitra ara-panjakana toy ny CFM, ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), ny “commission natioanale indépendante des droits de l’homme (CNIDH), ny “haut conseil pour la défense de la démocratie et de l’Etat de droit” (HCDDED), ny “comité pour la sauvegarde de l’intégrité (CSI), ny birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly (BIANCO) ary ny sampandraharaha Malagasy Iadiana amin’ny famotsiam-bola (SAMIFIN). Mpikambana ao anatin’ny komity ihany koa ireo fikambanana eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Ao anatin’izany ny tetikasa Fifidianana Antoka ho an’ny Daholobe Ifantenana Olom-banona (FANDIO), ny ONG Tolontsoa, ny “Transparency International initiative Madagascar”, ny “Justice et Paix”, ny hetsiky ny  fiarahamonim-pirenena Rohy.

Nambaran’ny komity  iombonana ho amin’ny dina  fa tsy hisy krizy vaovao izay mety hampitondra faisana indray ny firenena raha toa ka mampiseho ny fahavononany ireo kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena  hanaja ny zotram-pifidianana ka tsy hanao izay hisian’ny korontana na sanatria hampikatso mihitsy aza. Ho tanteraka ny fifidianana marina raha toa ka manaja ny foto-kevitra iorenan’ny fifidianana demokratika  dia ny fahitsiana, ny tsy fitanilàna, ny fanajana ny lalàna, ny zo sy ny fahalalahana ny mpanao politika sy ny mpilatsaka ho fidiana. Namafisin’ny filohan’ny HCDDED, Pierre Le Noble fa tsy demokrasia ny fihantsiana ady sy ny fandrangitana. Mamaritra ny fitondran-tena tokony hananan’ireo kandidà ny “dina ara-pitsi-pitondrantena sy ny fahitsiana ho an’ireo mpilatsaka ho fidiana, ho fitoniana amin’ny fifidianana filoham-pirenena” .

Lynda A


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *