Socio-eco

MPANAO KUNG-FU WISA: Anarivony hanohana an’i Hery Rajaonarimampianina


Nitohy tao an-tampon-tanàna an’Antsirabe ny fankalazana ny faha-38 taonan’ny kung-fu Wisa. Solontena 5000 isa no nanao hazakazaka rodobe nanodidina ny tanàna ny sabotsy 07 Aprily 2018. Nitarika ny hazakazaka i Grand Maitre Avoko sy ny federasiona Malagasy ny kung-fu Wisa. Tahaka ny nataon’ireo mpikatroka kung-fu wisa tao Bongolava, nanamafy ny mpikatroka tao Vakinakaratra fa manohana ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ary mangataka ny hirotsahany amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka.
Nampiavaka ny hetsika tao Antsirabe ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mpanao kung-fu. Nogadraina sy niaritra ny tifitra basy ary ny tifitra nataon’ireo tafika tamin’ny taona 1985 izy ireo. “Zezika nampiroborobo ny kung-fu ankehitriny ireo zoky be nijoro vavolombelona ireo. Ho an’ny Vakinakaratra manokana izao, efa 60.000 ny mpikambana. Mananika ny 500.000 kosa ny fitambaran’ny mpikambana manerana ny Nosy”, hoy i Grand Maitre Avoko. Hitohy eto Antananarivo amin’ny alahady 15 aprily 2018 izao ny fankalazana ny faha-38 taonan’ny taranja kung-fu Wisa eto Madagasikara.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *