Socio-eco

MPANAO GAZETY SY NY MPITANDRO FILAMINANA: Hivoaka ny fifanaraham-piarahamiasa lasitra


Notontosaina ny 12 aprily 2018 ny fivoriana fahatelo niarahan’ny mpanao gazety sy ny mpitandro filaminana. Nandritra io latabatra boribory io no nandinihana farany ny votoatiny ny fifanaraham-piarahamiasa lasitra sy ny toro-lalana entina hanatsarana ny fiarahamiasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao gazety. Ao anatin’ny tetikasa IDIRC (Institutions Démocratiques, Intègres, Responsables et Crédibles) izay iantsorohan’ny UNESCO ny famolavolana izany. Ny “Peace Bulding Fund” no mamatsy vola ny tetikasa. Ho famerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fanjakana no tanjon’ny tetikasa. Manana andraikitra amin’izany ny haino aman-jery sy ny mpanao gazety. “Ho fanamorana ny fahazoan’ny mpanao gazety vaovao eny anivon’ireo rafitra misahana ny filaminana toy eny anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena…no antony nanaovana ity dinika an-databatra boribory ity. Efa nisy ny fivoriana voalohany sy ny faharoa tamin’ny taona 2017 namaritana ny fifanaraham-piarahamiasa lasitra sy ny toro-lalana. Fanitsiana na fanampiana ireo fehin-kevitra nivoaka tamin’ireo fivoriana roa ireo no natao tamin’ity andiany fahatelo ity. Voafaritra ao anatin’ny fifanaraham-piarahamiasa lasitra ny anjara andraikitry ny mpanao gazety sy ny mpitandro filaminana amin’ny fanomezana vaovao ny olom-pirenena. Ho hita ao anatin’ny toro-lalana kosa ny mombamomba ireo tomponandraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana afaka manome vaovao ho an’ny mpanao gazety, ny mombamomba ny mpanao gazety manerana an’i Madagasikara. Ao aorian’ny volana jolay 2018 no vinavinaina hamoahana io fifanaraham-piarahamiasa lasitra sy toro-lalana tena izy io.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *