Socio-eco

MPANAO GAZETY: Mitondra fitoniana na firehetana.


Mpisehatra mitondra filaminana na fikorontanana amin’ny firenena ny mpanao gazety. Fepetra takiana amin’ny asa fanaovan-gazety ny fanoavana “recoupement” na fanamarinana ny vaovao. Voafitaka anefa ny vahoaka indraindray satria vaovao tsy mari-pototra akory no hahely. Ray mpiahy ny famoahana ny andian’ny mpianatra Fanilo, nahazo ny diplaoma Licence momba ny serasera ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Guy Laurent Ramanakamonjy. Nanafatra an’ireto mpianatry ny oniversite HPI/Masca eny Sabotsy Namehana ireto izy mba hanaraka hatrany ny fitsipika mifehy ny asa fanaovan-gazety raha toa ka hisafidy ny ho mpanao gazety.
Mila famailoana ny asa fanaovan-gazety. Voasazin’ny lalana raha mamoaka vaovao miditra amin’ny fiainan’ny s olona manokana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *