Socio-eco

Mpanao gazety miatrika fotoam-pifidianana: Nitohy tao Antsirabe ny fampiofanana


Tao aorian’i Toliary sy Fianarantsoa dia nitohy tao Antsirabe ny fiofanana ho an’ireo mpanao gazety momba ny fiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny 7 Novambra 2018 izao. Mpanao gazety 22 no miatrika izany ao Vakinakaratra. Hisy ny fampiharana eny an-kianja ny Alahady 12 Aogositra 2018 hariva, izay ahafahanan’ izy ireo mampihatra ny fiofanana ny andro androany.

Nizara telo ireo mpanao gazety tamin’izany ka nisy ny nanao televiziona, radio ary gazety an-tsoratra. Mialoha io fampiharana io kosa anefa nanazava ireo lalàna isan-karazany sy ny manodidina ny fifidianana ny tomponandraikitry ny CENI izay notarihan’ny Commissaire Electoral National, Fano Rakotondrazaka.

Nanambara izy ireo fa ilaina ny fiofanana toy izao ahafahana mikirakira ny fifidianana mialoha, ao anatin’ny fifidianana ary ao aoriana. Betsaka ny zavatra fantatra nandritra ny fiofanana ny 11 Aogositra 2018 ka hatramin’ny 13 Aogositra 2018. Marihana fa ny PNUD no nikarakara izao fiofanana izao niarahany tamin’ny CENI, OJM, SACEM, UNESCO izao…Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety malagasy manerana ny Nosy. Rehefa vita ny ao Antsirabe dia hahazo ny anjara fiofanany ihany koa ireo mpanao gazety any Toamasina, Mahajanga, Antsiranana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *