Socio-eco

MPANAKANTO G5: Efa mahaleotena


Miantso ireo te hiara-hiasa aminy ny mpanakanto G5 nivoaka tamin’ny alalan’ny fifaninanana an-kira nokarakarain’ny haino aman-jery tsy miankina Viva. Tovolahy dimy no mandrafitra ny G5. Efa nivoaka ny raki-kira voalohany an’ireto tarika ireto noho ny fiarahamiasa tamin’ity haino aman-jery ity. “Ataoko afa-po” ny lohatenin’ny raki-kira ary karazan-kira 13 no ao anatiny.
G5Nikopa-kelatra ireto tovolahy miisa dimy mivondrona ao anatin’ny G5 ireto satria efa vita ny fifanarahana tamin’ny televiziona Viva. Mpanohana azy ireto ny Ben’ny tanàna an’ny kaominina an’Ivato. “Ho fanohanana ny tanora sy ny fampiroboroboana ny zava-kanto sy amin’ny maha havana dia manosika ireto tanora ireto aho. Misokatra ho an’ny G5 fa indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao”, hoy ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa. Nambaran’ny solotenan’ny G5, Nathan Gabri fa mety amin’ny tanora, lehibe, vehivavy, lehilahy ny gadon-kira kaloin’izy ireo ka raha mitady fiarahamiasa amin’izy ireo dia afaka miantso ny laharana 034 95 256 21. Hanomboka hanao fitetezam-paritra ny G5. Afaka herinandro vitsivitsy dia ho any Mahajanga ity tarika ity.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *