Socio-eco

MPAMPIANATRA FANATANJAHANTENA: Samy hafa ny any an-tsekoly sy ny federasiona


Mampatsiahy ny fitakiana nataony ny mpampianatra  fanatanjahantena (EPS). Efa nisy tamin’ireo fangatahan’izy ireo no voavaly amin’ny ampahany saingy mbola misy ihany koa no mbola tsy voavalin’ny fanjakana. Noho izany, mangataka fifampidinihana ahitam-bokatra ireo mpampianatra EPS araka ny fanazavan’izy ireo nandritra ny valan-dresaka natao ho an’ny mpanao gazety  omaly 27 novambra 2018. Ao anatin’ny fitakian’ny mpampianatra EPS ny hoe : « tsy tokony hasiana vary mangatsiaka ny fandoavana ny tambin-karama ny mpanadina EPS  amin’ny BAC na ny BEPC, tsy tokony hampianatra fanatanjahantena raha tsy mivoaka avy ao amin’ny fianarana ambaratonga ambony  mampiofana mpampianatra (ENS). Misy olona anefa mahazo fahazoan-dalana mampianatra ka mandeha mampianatra taranja fanatanjahantena. Tsy tokony avela hampianatra EPS izy satria saro-pady io taranja io », hoy ny mpitondra tenin’ireo mpampianatra, Rivo Blandin.

 Ankoatra izany, mampatsiahy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN)  ireo mpampianatra fa zava-dehibe  ny  « Education physique de qualité » (EPQ) izay voizina manerantany. Manoloana izany, mangataka izy ireo mba hasiana sampandraharaha manokana eo anivon’ny MEN hisahana ny fanabeazana ara-panatanjahantena mba hisorohana ny olana miverimberina rehefa mikarakara ny adina ara-panatanjahantena. Hisahana ny fandrafetana  ny fandaharan’asa mifandraika amin’ny EPQ sy handrindra ny fanatanjahantena any an-tsekoly ihany koa  io sampandraharaha io. Nilaza izy ireo fa tady ho lasa any amin’ny fanatanjahantena tantanin’ny federasiona ny fanabeazana ara-panatanjahantena any an-tsekoly kanefa samy hafa ireo sehatra ireo. « Mamolavola ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ny any an-tsekoly. Misy fitsipika manokana kosa  ny an’ny federasiona”.  Araka ny fanambaran’ny mpampianatra, mitaky ny hamerenana ny  taranja EPS amin’ny  BAC ho “coefficient 2” sy ho taranja tsy maintsy atao ny EPS amin’ny BEPC ihany koa izy ireo rehefa mandeha tsara ny fanatanjahantena any an-tsekoly, mizotra tsara ihany koa ny fanatanjahantena tantanin’ny federasiona.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *