Socio-eco

MPAMPIANATRA CEG ANTANIMENA : Mangataka amin’ny tompom-bola hanazava


Tsy mety tapitra ity resaka « panier garni » sy ny tontolony ity. Mahitsy ny tenin’ny mpampianatra sy mpandraharaha eny amin’ny sekoly CEG Antanimena ny 14 Janoary 2020. « Mangataka amin’ny Prezidàn’ny Repoblika mba hiteny sy hanazava io vola 65.000 Ariary nomeny ny mpiasam-panjakana io izahay mpampianatra sy mpandraharaha », hoy i Razafindrabe Narindra, mpitondra tenin’izy ireo. Miray feo amin’ireo mpampianatra manerana ny nosy ihany koa izy ireo amin’ny fitakiana io « panier garinie » avy amin’ny Prezidà io. Mahatsiaro voailikilika ihany koa izy ireo tamin’ny fanazavan’ny ministra mpiahy azy ireo izay tahaka ny tsy mpiasam-panjakana. Ankoatra izay dia mitaky amin’ny ministera ilay vola 50.000 Ariary, tambi-karama notakiana tamin’ny taona 2018…. Nomarihan’izy ireo fa efa niato ny fampianarana teny amin’io CEG io nanomboka tamin’ny alarobia 08 Janoary 2019 ka hatramin’izao.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *