Socio-eco

MOZEA QUAI BRANLY AO PARIS: Hampiranty ny momba an’i Madagasikara


Ny 18 septambra 2018 ka hatramin’ny 01 janoary 2019, hiranty ao amin’ny mozea Quai Branly – Jacques Chirac  ao Paris ny kanto, tantara, kolontsaina an’i Madagasikara.  Amin’ny alalan’ny kanto miisa 360 toy ny sary sokitra ampiasaina amin’ny fahafatesana, hosodoko, sary, asa famoronana no hampahafantarana ny mombamomba ny Nosy Malagasy. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 17 septambra 2018 ny fampirantiana. Hanatrika izany ny mpankafy kanton’i  Madagasikara, mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara tahaka an’ny  vondrona SIPROMAD.

Fanohanana

Taorian’ny fahazoan’ny vondrona Sipromad ny orinasan-tserasera “Thomson Broadcast” tamin’ny volana  aogositra 2018 dia manana  birao any Frantsa ny vondrona Sipromad. Tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Sipromad  no nanamboarana ny trano natokana ho an’ny fitaovana ampiasaina amin’ny mozika ao amin’ny mozea Quai Branly mba hisarihana ny olona hitsidika sy hamantatra ny momba ny Nosy Malagasy.  Ny fanohanana amin’ny sehatry ny kanto sy ny kolontsaina dia ao anatin’ny tetikasan’ny vondrona Sipromad.  Ho fanehoan’ny vondrona fa miasa eto Madagasikara, mandray andraikitra amin’ny lafiny sosialy sy  fanatsarana paikady hampiroboroboana ny endrik’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fizahantany sy ny kolontsaina  ary fanamafisana ny fiarahamiasa amin’ny lafrantsa no anton’izao fanohanana izao.

Nirina R.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *