Socio-eco

MOPERA RAHAJARIZAFY: Nivoy ny maha Malagasy sy kristianina modely.


Tsangam-bato faha-100  taona nahaterahan’ny  Mopera Antoine de Padoue RAHAJARIZAFY ny boky  vaovao “Ny fanahy no olona, un prêtre, un oeuvre”. Voarakitra ao anatin’io boky io  ny fahitan’ireo olona nifanerasera taminy nandritra  ny fahavelomany. Amin’ny maha  mpanoratra an’ny mopera RAHAJARIZAFY, nivoy kolontsaina maha Malagasy ny tenany. Nambaran’ny mopera  Fulgence RATSIMBAZAFY  fa ray mpampianatra izy nandritra ny fahavelomany ary tsy mba nanery na iza na iza hanaraka izay lazainy fa nanome safidy malalaka hatrany. Tsy tamin’ny endrika ivelany ihany no nampisehoany  ny tena maha kristianina azy  fa nasehony tamin’alalan’ny asa sorany ihany koa izany. “Hainy ny nampifandray ny maha Malagasy sy ny fivavahana kristianina”, hoy ny mopera Bethaz Guistino.

Modely

Apostoly tao amin’ny ny fikambanan’i jesoa eto Madagasikara i Antoine de Padoue RAHAJARIZAFY. Araka ny fanazavan’ny mopera Fulgence nandritra ny fampahafantarana ny boky mirakitra ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo nifanerasera tamin’ny mopera RAHAJARIZAFY  fa  namaky lay ny rafitra fitantanana ny fikambanana izy  satria   Relijiozy nisantatra  ny  rafitra provinsialy an’i Madagasikara.  Nametraka tantara ho an’ny firenena Malagasy  ny mpanoratra  Antoine De Padoue. Voarakitra ao anatin’ny boky “Ny fanahy no olona, un prêtre, un oeuvre” ny mombamomba izany. Nanamafy ny mopera  Fulgence RATSIMBAZAFY  fa very ny hasiny maha Malagasy. Tsy  manana olona alain-tahaka ny tanora satria  tsy manome modely tsara ho azy ireo ny mpitondra.

 Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *