De-Lire

Mody tsy miteny kanefa te-handainga


Motomaso (*) mitrebona akaikin’ny lava-piringa ka maniry ihany saingy mievoka rivotra maloto. Na nanao resaka aza ry ra-BAD, na nivazavaza aza ny vondrona Eraopeana, na nivonon-ko tompony aza ny taranaky ry Asterix, na hilaza lainga faha-zato amby arivo aza ny dadan’i Sarah dia tsy maintsy ho tompon’antoka amin’ny zavatra nolazainy hatrizay  Ra-Martiniiii  na ho aiza na ho aiza.

Azafady ry havako, fa raha misy ho kotsan’ny ranon’orana raha fahavaratra dia izay ratsy sarotro ihany. Raha misy ny ho petsan’ny  roran’adala dia izay mahanihany azy ihany no ho maimbo. Raha misy ny ho vakivaky tongotra dia izay sahy mandeha manitsy an-tanimbary.

Ny lainga, hono, toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony. Raha ny lainga no nampivaha ny olan’Ambohitsorohitra dia efa nahavita izay ho vitany ra-Martiniiiiii. Andramo lazaina indray fa  aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanehatra amin’ny mpandainga e ! Dia tatataho ho ren’ny ambanilanitra fa fahavalon’ny tanàna mihitsy ra-Naina Germain ! Dia sikino ny lamba raha mahavita fa aza misalaka lainga.

(*) anaran’ahitra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *