Socio-eco

MISS MONDE 2021: Hanainga anio alina ny Miss Madagasikara 2020, Saya Nellie Anjaratiana


Ny 21 novambra ka hatramin’ny 16 desambra 2021 any Porto Rico no hanatanterahana ny Miss Monde 2021. Saya Nellie Anjaratiana, Miss Madagasikara 2020 no hisolo tena an’i Madagasikara. Talohan’ny naha Miss Madagasikara azy dia lany ho Miss Diaspora ny tenany ny 19 oktobra 2019, fifaninanana nokarakarain’ny fikambanana Dera any Frantsa. Hijanona andro vitsy ao Frantsa izy hanao “shooting” sy hihaona amin’ny fianakaviany mialoha ny hamonjeny an’i Porto Rico. Akanjo fentina mianjaika vitan’ ireo mpamorona toa an’i Tantely ho an’ny robes  « mifaninana amin’ny challenge », Me’Chic Gasy ho an’ny robes « vita amin’ny Landy »,  BrowngassFashion ary  Vazane By Lora no entin’i Saya Nellie Anjaratiana hiaro ny voninahitr’i Madagasikara mandritra ny fifaninanana sy ny famaranana. Mandritra ny iray volana dia miandry an’ity tovovavy Malagasy ity ihany koa ny fanamby isan-karazany toy ny Challenges sports, World Designer, challenge multimédia, beauty purpose. Hisy ihany koa ny interview sy fitsapana momba ny fahalalana ankapobeny. Nilaza i  Saya Nellie Anjaratiana fa vonona hatramin’ny farany hiaro ny voninahitr’i Madagasikara. “Misaotra ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fanohanana”.

Sehatra hifidianana masoivoho hitondra avo ny hatsaran-tarehy sy ny hatsaram-panahy  manerana an’izao tontolo izao ny Miss Monde. Fanintelony no nanana solotena i Madagasikara handray anjara amin’izany. Tsy ny hatsaran-tarehy ivelany ihany no tsaraina amin’ny fifaninanana fa ny toetra ihany koa izany hoe hatsarana anaty. Nandefa solontena ny Comité Miss Madagascar (CMM) tamin’ity andiany ity ho fampahafantarana ny kolontsaina malagasy. “Ara-dalàna ny fandrasain’anjara an’i Madagasikara satria voahaja ny bokin’andraikitra toy ny fanaovana asa soa”, hoy ny tomponandraikitry ny CMM.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *