Socio-eco

MISS MADAGASCAR 2019: Voahajan’ny CMM ny dingana rehetra tokony atao


Miova tampoka. Taorian’ny fanambaran’i  Valérie Binguira, Miss Madagascar 2019 androany (21 novambra 2019) tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy “facebook” dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny CMM androany tamin’ny telo ora, izay tokony nanatrika izany i Valérie saingy tsy  tonga na dia efa nahafantatra aza. Nambaran’ny solontenan’ity komity misahana ny miss eto Madagasikara ity, Rakotoniaina Christelle fa taorian’ny fampihavanana natao teny amin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina dia nikarakara farany izay haingana ny fandefasana ny Miss Madagascar 2019 handray anjara amin’ny Miss monde 2019 ny CMM. Nisy ny fifampiresahana tsy tapaka tamin’ny Miss Monde nandritra ny fikarakarana. “Telo andro taorian’ny fifanaovan-tsonia  teny amin’ny ministera anefa dia niantso ahy ny manager-an’i Valérie fa ajanona ny fandefasana azy fa tsy vonona ara-tsaina sy ara-batana izy”, hoy ny tatitra nataon-dRakotoniaina Chrystelle. Araka ny fanazavany hatrany fa nanaiky izany ny CMM na dia nanahirana tamin’ny Miss monde aza izany. Nohamafisin’i Chrystelle fa voahajan’ny CMM ny dingana rehetra tokony natao ary misy porofo izany. “Lasa any Londres i Valérie raha tsy nisy filazana fa ajanona indray ny fandefasana azy”, hoy hatrany izy.

Nekena sy  notanterahina antsakany sy andavany ihany koa ny fangatahan’i Valérie fa amin’ny Miss monde 2020 izy vao handray anjara. Manaiky ny komity  fa nisy ny tsy fihetezana nataon’izy ireo ary efa nifanaraka tamin’ny  ekipan’i Valérie fa ho amboarina ny CMM. Nambara tamin’ny fomba ofisialy androany fa rava ny CMM. “Nifampiresaka ny andaniny sy ny ankilany fa hisy ny solontenany mpanao gazety, ny ministeran’ny isan-tsokajiny, ny fiarahamonim-pirenena, ny komity teo aloha  ary ny miss efa nisy teo aloha no handrafitra ny komity vaovao”. Nomarihin-dRamatoa Chrystelle fa  ny datin’ny 20 novambra nolazain’i Valérie Binguira fa tokony hahatongavany any Londres  dia tsy fampivondronana ny miss manerana an’izao tontolo izao handray anjara amin’ny miss monde fa daty nolazain’ny miss monde hahatongavany any mba hanamora ny fivahiniany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *