politique

MINISTRY NY MPONINA: « Ambadika politika ny grevin’ny mpiasa »


Ora vitsy taorian’ny fitokonan’ny sendika ny mpiasan’ny ministeran’ny mponina ny 13 desambra 2018, tonga namonjy ny biraony ny ministra Irmah Naharimamy. Tsy navelan’ireo mpiasa niditra ny vavahady anefa izy fa teo an-tokontany no tian’izy ireo nifampiresahana taminy. Efa niomana nitondra vadin-tany  ramatoa ministra tamin’io fotoana io. Nangataka izy mba any anaty birao no miresaka. Tsy nanaiky hatrany ireto mpitokona saingy tafiditra tany amin’ny birao ihany ny ministra Irmah Naharimamy. Nitondra fanazavana momba ny fitakian’ny sendika mpiasan’ny ministera ramatoa ministra Irmah Naharimamy.  Nilaza izy fa “vakiana fotsiny” ary misy ambadika politika ny hetsika nataon’ireo mpiasa. Mbola nampiany hoe: “fihantsiana izao grevy izao satria tsy nisy akory ny fampilazana mialoha”. Nanome fanazavana ihany koa ny tale misahana ny maha olona (DRH) fa tsy nisy ny fampahafantarana ny hetsiky ny mpiasa. Raha ny tokony ho izy anefa  dia mila manome fampitandremana (ultimatum) aloha izay vao miroso amin’ny fitokonana.

Manoloana ny fanaovana “affectation” ireo mpiasa ECD (emploi de courte durée) dia nilaza ny ministry ny mponina fa nanome safidy malalaka ny toerana hamindrana azy ireo. Ny tsy fahampian’ny mpiasan’ny ministeran’ny mponina any amin’ny faritra no antony hamindrana ireo mpiasa. “600 ny isan’ny mpiasa mitangorona eto amin’ny foibe. Any amin’ny  faritra anefa zara raha misy mpiasa”, hoy  ny ministra. Nanamafy i Irmah Naharimamy fa efa nifampiresaka tamin’ireo mpiasa. Ny mpiasa anefa nanizingizina fa tsy latsaky ny in-dimy ny fangatahana nataon’izy ireo hihaona amin’ny ministra fa tsy nivaly izany. Ankoatra izany, nilaza ny ministra fa dimy pejy ny fangatahan’ny  mpiasa ary misy fangatahana efa hatramin’ny nisian’ny ministera. Ny maraina ny grevy ihany koa ny ministra vao nahita io taratasy fangatahana io ka tsy mbola mahita hoe inona no azo vahana sy tsy azo vahana.

Lynda A.


One comment on “MINISTRY NY MPONINA: « Ambadika politika ny grevin’ny mpiasa »

  1. Pingback: MINISTRY NY MPONINA: « Ambadika politika ny grevin’ny mpiasa » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *