Socio-eco

MINISTERAN’NY FAHASALAMANA: Ny mampirongatra ny kitrotro


Tsy firaharahiana sa fahatahorana? Na dia lafo vidy aza ny vaksiny  natokana ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny faha-11 volana dia nomena maimaim-poana izany. Mbola misy ihany anefa no tsy manao vaksiny ny zanany indrindra ny vaksiny  fanefitry ny kitrotro atao amin’ny faha-sivin’ny volana ka hatramin’ny faha-11 volana. Araka ny fanazavan’ny tale misahana fandaharan’asa momba ny vaksiny (PEV), dokotera Christiane Bodohanta  Ramamonjisoa fa 100.000 ariary ny vidin’ny vaksiny ho an’ny zaza iray manomboka vao teraka ka hatramin’ny faha-11 volana.

Nambaran’ny tale misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamana, Manitra Rakotoarivony fa tsy misy fanafody ny kitrotro fa amin’ny alalan’ny vaksiny ihany ny fomba hisorohana azy. “Ireo aretina manararao-paty rehefa voan’ny kitrotro no tsaboina”, hoy hatrany i dokotera Manitra. Noho izany, misy ny hafatra fototra ho an’ny reny sy ny mpitaiza zaza. Manamafy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombona antoka fa vaksiny ihany ny fanefitry ny kitrotro. Aretina mora mifindra sy mahafaty ihany koa ny kitrotro. Azo sorohana anefa izany amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny ny zaza sivy ka hatramin’ny faha-11 volana. Ao anatin’ny herinandro ka hatramin’ny 20 andro ny fikotrehan’ny aretina kitrotro ao anatin’ny vatan’olombelona iray. Anisany endrika hisehoan’ny kitrotro ny  hoditra mandrotsirotsy, mena maso, mitsoni-delo. Misy ihany koa ny tranga manahirana sy tranga fahasarotana. Rehefa tsy voatsabo tsara ny kitrotro dia miteraka aretina maro sarotra azo sitranina toy ny fahajamban’ny maso, areti-tratra, fivalanana… ary mety hiafara any amin’ny fahafatesana mihitsy. Nanararaotra nanazava ny antony nampirongatra ny kitrotro nanomboka ny volana oktobra no mankaty ihany koa ny ministeran’ny fahasalamana sy ireo mpiara-miombona antoka nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny 12 desambra 2018. “Nitombo ny olona tsy vita vaksiny ka izay no nampirongatra ny olona voan’ny kitrotro satria tsy misy fiarovana”, hoy i dokotera Manitra.

Marihina fa raha vita vaksiny ara-dalàna ny zaza iray dia tsy tokony ho voan’ny kitrotro intsony. Misy ihany anefa  ny tratry ny kitrotro na dia vita vaksiny aza. “Ny 80 %-n’ny olona mandray ny vaksiny ny vatany.  “Ny 20 % kosa tsy mandray ny vatany ka izay mahatonga ireo olona vita vaksiny voan’ny kitrotro”, hoy i dokotera Bodohanta.

Lynda A.


One comment on “MINISTERAN’NY FAHASALAMANA: Ny mampirongatra ny kitrotro

  1. Pingback: MINISTERAN’NY FAHASALAMANA: Ny mampirongatra ny kitrotro - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *