Socio-eco

MINISITERAN’NY MPONINA: Notsinjovina manokana ireo fianakaviana sahirana


Hetsika maro no tanterahin’ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy mandritra ity volana mey ity izay natokan’ny fitondram-panjakana ho volan’ny fiahiana ara-tsosialy. Fianakaviana sahirana sy marefo miisa 200 avy ao amin’ny boriborintany voalohany indray no nozaraina vary maimaim-poana ny 15 mey 2019 teny amin’ny fokontany Avara-tetezan’ny Bekiraro Isotry. “Miara-dalana amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny fiahiana ny fianakaviana ka izany indrindra no antony nanaovana izao hetsika izao amin’ity androany ity satria andro iraisam-pirenena ho an’ny fianakaviana ny 15 mey”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, dokotera Baraka Charlotte  Hanta. Fokontany folo tao amin’ny boriborintany voalohany no nahazo tombontsoa tamin’izany ka vary dimy kilao isam-pianakaviana no nozaraina, araka ny fanampim-panazavana nomen’ny  lehiben’ny fokontany Avara-tetezan’ny Bekiraro Isotry, Ravonjiarison Yvonne.

Nosafidiana manokana ireo fianakaviana sahirana sy marefo tamin’ity fizarana vary ity mba ho fitsinjovana ny andavandranom-piainan’izy ireo. Ao anatin’ny politika ankapobeny ny fanjakana ny fiahiana ara-tsosialy ka anisan’ny nanampy tamin’ny fanatontosana ny hetsika ny eo anivon’ny fiadidian’ny repoblika misahana ny raharaha ara-tsosialy sy politika (DASF). Nohamafisin’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny mponina fa manana zo hilamina ny fiankaviana ka tsy tokony hisy ny herisetra ary mendrika fandrosoana ny ankohonana tsirairay.

Lynda A.


One comment on “MINISITERAN’NY MPONINA: Notsinjovina manokana ireo fianakaviana sahirana

  1. jereo gasikara

    hankasitrahana ny ministeran’ny mponina nitondra fanampiana ho an’ireo vahoaka sahirana . izao no porofo fa mijery sy miahy ny malagasy rehetra ny fitondram-panjakana. araka ny voalaza hoe mahasamabatra kokoa ny manome noho ny mandray .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *