Socio-eco

MIALY RATREMA: Ireo akanjo mariazy vita amin’ny lamba landy


Mifameno ny asa famoronana ataon’i Mialy Ratrema sy i Gaona. Andro iray toa zato ny mariazy ka ny soa sy ny tsara indrindra no tokony aseho. Izany indrindra no namoronan’i Mialy Ratrema akanjo mariazy vita amin’ny lamba landy. Naseho tamin’ny alalan’ny filatroana ireo vokatry ny aingam-panahiny  ho an’ny taona 2020. Ny 21 desambra 2019 teny amin’ny Villa Harambato Andoharanofotsy no nampahafantarana io “collection” faharoa ho an’ny akanjo mariazy io. Araka ny fanazavan’i Gerard Ratrema, anisany nikarakara ny hetsika sady vadin’i Mialy Ratrema fa tohiny ny fampisehoana ireo vokatra tamin’ny taona 2018 ity fampirantiana ity. “Isaky ny misy vokatra tahaka izao dia ny eto  an-tanindrazana aloha no hampisehoana izany voalohany izay vao any ivelany”, hoy hatrany izy.

Nambaran’i Mialy Ratrema fa ankoatra ny fampahafantarana ny lamaody vitan’ny mpamorona malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia  fanohanana ireo mpanao asa tanana malagasy toy ny mpanenina ihany koa no tanjony amin’izao famoronana akanjo mariazy vita amin’ny lamba landy izao.  Ankoatra izany, manaraka ny lamaody eraopeanina  ireo “collection 2020” saingy  anisany akora fototra nampiasaina ny lamba landy .“Any Paris ny tenako no mipetraka ary manana fianakaviana eto Madagasikara aho ka nampifandraisiko tamin’ny asa famoronako ny fisian’ireo firenena ireo”. Nanampy tamin’ny fampisehoana ireo  asa famoronana nataon’i Mialy Ratrema i Gaona tamin’io fotoana io. Nanome aina ny filatroana ireo “costard”, vokatry ny aingam-panahin’ity mpamorona malagasy amin’ny sehatry lamaody ity.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *