Socio-eco

METM Zoara Famonjena Antohomadinika : Nanohitra ny fanapahankevitry ny foibe


Nametraka Antonta-taratasy teny amin’ny fitsarana Anosy afak’omaly Alatsinainy 19 Febroary 2018 ny mpisolo vavan’ny fiangoanna METM Zoara Famonjena Antohomadinika. Fanoherana ny fanapahan-kevitry ny foibe hanala ny mpitandrina Andriantenaina Alain De Néri tsy ho ao amin’io fiangonana io intsony no anton’izany.

Nitaky fanazavana izy

Fangatahana fanazavana momba ny kaontin’ny sekoly Fitahiana izay voamarika fa nisy fanodikondinam-bola  no nangatahan’ny mpitandrina lasa tonga eny amin’ny fitsarana. Sahiran-tsaina ny fiangonana manoloana izao fihetsika atao amin’ny mpitandrina ity izao. Eo ihany koa ny fanakorontanan’ireo olona vitsivitsy  isaky ny Alahady. Voaelingelina  ny zon’ny mpiangonana hivavaka ka noho izany naka mpisolovava ny Fiangonana mba hiaro ny Zony.

Eny amin’ny fitsarana ny raharaha

Betsaka amin’ny Fiangonana sy ny Fiarahamonina izay misitraka ny asa sosialy vitan’ny mpitandrina no manontany tena hoe inona no fonosin’izao fihetsiky ny Foibe izao?. Olona nahavita ratsy indray ve no arovan’izy ireo. Mitodika eny amin’ny fitsarana avokoa ny sain’ny vahoakan’ny METM Zoara Famonjena Antohomadinika izay miandrandra ny fandresen’ny fahamarinana. Hivoaka amin’ny Alatsinainy 26 Febroary 2018 ny didim-pitsarana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *