Socio-eco

MEDAIR: Nanavotra aina ny hetsika « réveillons l’humani-terrien en nous »


Avotra ny mpiray monina amin’i Tsiveregna.Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny 28 febroary 2020 teny Antaninarenina ny « réveillons l’humani-terrien en nous ». Hetsika nentin’ny MEDAIR eto Madagasikara nanamarihany ny faha-30 taona nisian’ny ONG izy ity. Nanomboka tamin’ny 23 mey 2019 ny tetikasa ka hetsika maro no natao nandritra ny valo volana. Anisan’izany ny fanomezan-drà teny fitehirizan-drà eny Anosy, ny fampirantiana ireo sary nalain’i Pierrot Men, mampiseho ny tsy fitovian’ny zava-misy any Atsimo sy Avaratr’i Madagasikara vokatry loza voajanahary. ONG iraisampirenena miasa amin’ny fanampiana ny maha olona toy ny fanavotana aina noho loza voajanahary ny MEDAIR. Nandritra ny hetsika fitadiava-mbola tao anatin’ny « réveillons l’humani-terrien en nous » hatrany dia vola mitentina 2.800.000 Ariary no voaangona, entina hanamboarana vovon-drano ho an’i mpiara-monina amin’i Tsiveregna ao amin’ny fokontany Mahafaly Sud,faritra Androy. Raha ny sary nalain’i Pierrot Men no faritana dia tovovavy kely maka rano eo amin’ny fotaka i Tsiveregna.

Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny MEDAIR, Rakotomavo Chrystelle fa efa manomboka ny fanamboaran’ io foto-drafitr’asa io. Tsy azo adinoina ihany koa fa nentina namohazana indray ny finiavana hanampy ny mpiara-belona ity hetsika ity. Mpilatsaka an-tsitrapo 46 no notolorana mari-pankasitrahana ankoatra ireo orinasa nanohana ny hetsika. Tsy mijanona hatreo ny fanavotana aina ataon’ny ONG fa mitohy hatrany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *