politique

MBOLA RAJAONAH : « Mampikatso ny IEM ve ? »


Rehefa afaka madiodio  tamin’ny raharaha nisamborana azy i Mbola Rajaonah momban’ny taratasim-bola tsy misy antoka dia naverina eny Tsiafahy indray izy satria mbola misy raharaha hafa hiampangana azy.  Amin’ny maha fikambanana mpiaro ny mpiara-belona  iharan’ny tsindry hazo lena  ny  Fitoniana Tour sy Soluma dia manao antso avo ny tomponandraikitra isan-tsokajiny mba hijery akaiky ity raharaha ity fa toa lasa valifaty politika no miseho. Nambaran’i Berija  Ravelomanantsoa fa fandikàn-dalàna amin’ny ladoany (infraction douanière) no hiampangana indray an’ity mpandraharaha ara-toekarena ity.  Ny lalàna anefa milaza fa raha io fandoavana lamandy no takiana raha toa ka voamarina fa nanao io fandikàn-dalàna io, hoy ny filohan’ny Fitoniana Tour, Sambahita.  Ny zava-misy dia tazomina eny amin’ny Tsiafahy i Mbola Rajaonah izay fonja hitazomana ireo olona manao eloka be vava, toy ny famonoana olona… no eny.

Nilaza ireto mpitarika fikambanana ireto fa mandalo ny fitondrana ka tokony hanova fomba fanao fa tsy hoe:  rehefa tsy metimety amin’ny tena ilay mpandraharaha tamin’ny fitondrana teo aloha dia potehina. Mametra-panontaniana ihany koa izy ireo hoe:  “Tsy mampandeha na mampikatso ny IEM  ve i Mbola Rajaonah ka izay no hamotehana azy ? »

Nirina R.


One comment on “MBOLA RAJAONAH : « Mampikatso ny IEM ve ? »

  1. Pingback: MBOLA RAJAONAH : « Mampikatso ny IEM ve ? » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *