Socio-eco

MBALIK: Herinaratra avy amin’ny masoandro amin’ny vidiny mirary


Kit solaire, azo aloa tsikelikely na indray mandoa. Ao anatin’ny politikan’ny orinasa Telma ny fandraisana anjara amin’ny  fanatanterahana ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry: ny fampandrosoana azo tsapain-tanàna, azo refesina  ary ho an’ny rehetra. Manana tolotra vaovao ny orinasa noho ny fiarahamiasa tamin’ny Greenlight Planet, orinasa mitàna ny laharana voalohany  manerantany amin’ny famatsiana « kit solaire ». Nampahafantarina androany 30 janoary 2020 teny Antaninarenina ny vokatra vaovao Mbalik. Amin’izao fanombohana izao, misy karazany roa ny vokatra, ny home 60 sy ny home 40z ary azo ampiasaina amin’ny fanazavana ny trano iray manontolo sy hi-«charger » finday. Ankoatra ny « panneau solaire », « battérie » sy « unité contrôle » sy  « lanternes portables » dia ahafahana mihaino « radio » ihany koa ny kit solaire Mbalik.

kit solaire - MBALIKA 1Araka ny fanazavan’ny Administrateur Directeur Général ny Telma, Pisal-Hamida Patrick fa ny mampiasa tambazotra telma ny 80 % ny vahoaka malagasy. « Ankehitriny dia afaka misitraka angovo maitso sy mora kokoa izy ireo. Ny mpianatra afaka mianatra ao anaty hazavana tsy misy ahiahy, mihena ny fandaniam-bola  ao an-tokantrano…”, hoy izy. Nohamafisin’ny lehiben’ny tetikasa SSAS, Ramanantoanina Satanirina fa azo antoka, vahaolana hisorohana ny fahamaizana, miaro amin’ny tontolo iainana ny fampiasana ny Mbalik. Efa miparitaka manerana ny toeram-pivarotana telma ireo kits solaires. Manomboka amin’ny 250.000 Ariary ny vidiny raha indray mandoa. Raha aloa tsikelikely kosa dia mandoa 28.000 Ariary amin’ny voalohany, raha toa ka ilay home 40z, ary aorian’izay dia mandoa  800 Ariary isan’andro, amin’ny alalan’ny Mvola.

Lynda A.


4 comments on “MBALIK: Herinaratra avy amin’ny masoandro amin’ny vidiny mirary

  1. ramampy

    Merci Telma fa tena mety aminay any @ péripherie de Tana tsy mbola tongan’ny réseau n Jirama mihintsy io. Tsy azo aloa isambolana @ MVola angaha ny ambiny??

  2. RABIALAHY Andriambololona

    Mety aminay district enclavé toy Antanambao Manampotsy. Aiza no hakana azy? Any Ilaka Est sa Vatomandry Sa Mahanoro? Iti Numero tel fa somary ratsy connection ihany: 034 42 801 88

  3. SAMPILAHY VOAHANGIARIVOLA ZAFINIRINA HITCHA

    Bonjour
    Izahay dia liana amilay tolotra MBALIK de telma, fa mila fanampi pahazavana be be kokoa raha hisitraka anio
    Ka mba manontany oe inona avy ny azo ampiasaina aminio oe icharge tel, tv sa radio sa afa …
    Misaotra mamaly tompoko .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *