Socio-eco

MASTER IMMO: Hisy ny tolotra isan-karazany amin’ny fetin’ny reny


Manampy amin’ny fividianana sy fivarotana tany ny “Master Immo”. Mampiavaka azy ny fandraisana an-tanana ny fikarakarana ireo antonta-taratasy. Manomboka an’ny amin’ny fividianana ka hatrany amin’ny fahazoana ny “boki-tany”. Izany hoe manao ny famindrana ny tany amin’ny anaran’ilay olona nividy izy ireo. “Misy ny fanamorana amin’ny fandoavana tsikelikely ny vidin’ny tany ka azo atao ny mandoa izany 11 volana ary tsy misy zana-bola. 30 % ny vidin’ny tany kosa anefa no tsy maintsy aloha ka ny ambiny no zaraina 11 volana”, hoy ny tomponandraikitra ara-barotra, Aina HARIVONY. Mihoatra ny 500 ireo nividy tany tao amin’ny “Master Immo” no efa nahazo “boki-tany” nandritra izay telo taona nisiany izay. Ho hita mandritra ny hetsika ara-barotra Grande Braderie de Madagascar (GBM) ny 23 Mey 2018 ka hatramin’ny 27 mey 2018 izao izy ireo . Misy ny tolotra manokana omen’izy ireo amin’io hetsika io. Hisy ny fihenam-bidy ho an’izay mividy tany ao amin’ny GBM. Ao ihany koa ny “vente flash” amin’ny 10 sasany maraina sy amin’ny 3 sasany tolakandro izay azahoana fihenam-bidy goavana mandritra io dimy andro io. Ny alahady 27 Mey 2018 izay fetin’ny reny kosa, omena fanomezana ireo reny rehetra izay mitsidika ny trano hevan’ny Master Immo.
Marihana fa ny Master Immo, mpanohana ofisialy ny GBM. Manentana ny rehetra ary maniry ny hanana tany ny Master Immo hitsidika ny trano heva 354 sy 355 mandritra ny GBM eny amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina fa fihenam-bidy tsy ampoizina no miandry azy ireo.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *