Socio-eco

MASOIVOHON’I CHINE: Manohana ny ezaky ny ministeran’ny fampianarana ambony


Fanamafisana ny fiarahamiasa. Notokanana ny 23 desambra 2019 teny Tsimbazaza ny trano hikarakarana ny fahasalaman’ny  mpiasan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nanome fitaovana ho ampiasaina ao amin’ity centre medico-social ity ny  Repoblika entim-bahoakan’i Chine. Nanolotra izany izany tamin’ny fomba ofisialy, tamin’io fotoana io, ny Ambasadaoro miasa eto Madagasikara, Yang Xiaorong. Nambarany fa “fifaliana ho anay no manome ireto fitaovam-pitsaboana sy fitaovana informatika ireto ho fanohanana ny ezaky ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa”. Araka ny fanazavany hatrany dia ho fanatsarana ny fenitry ny asa no tanjon’izao fanomezana izao. Nilaza ihany koa  ramatoa Yang Xiaorong fa laharam-pamehana ho an’ny repoblika entim-bahoakan’i Chine ny fanabeazana. Noho izany, “hitohy hanampy ny ministeran’ny fampianarana ambony, ny fampandrosoana an’i Madagasikara i Chine ho fanamafisana fiarahamiasa sy ny firahalahiana nisy hatramin’izay”, hoy izy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *