Socio-eco

MASOIVOHO AN’NY SINA ETO MADAGASIKARA : « Couettes » 787 nomena ny BNGRC


Mitohy hatrany fanamafisana ny fifankatiavan’i Madagasikara sy ny repoblika entim-bahoaka ny Sina. Lamba firakotra mafana (couettes) 787 isa natolotry ny Masoivoho an’ny Sina eto Madagasikara an’ny BNGRC (Bureau national de gestion des risques et catastrophes) ny 6 novambra 2018. « Mitentina 50 tapitrisa ariary ny teti-bidin’ireto fanomezana ireto ary ho entina hanampiana ireo tra-boina vokatry ny loza voanjanahary » hoy ny ambasadaorin’i Sina miasa eto Madagasikara, YANG Xiaorong.
Mangarahara tanteraka ny fizarana fanampiana ho an’ireo tra-boina raha ny ao amin’ny BNGRC. Hentitra ny fanarahamaso ny entana mivoaka ao amin’ny « magasin de stockage » eny Iavoloha. Aterina any amin’ireo tomponandraikitra isaky ny toerana ahitana traboina noho ny loza voajanahary ny fanampiana ary izy ireo ihany no mizara izany, araka ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka Thierry Venty. Tsy voalohany ny governemanta sinoa no nandray anjara tamin’ny fanampiana ireo Malagasy tra-boina. Vonona hiatrika ny loza mety hiseho ny BNGRC. Hanampy hatrany amin’ny fiatrehana ny loza mety hiseho ny tolo-tanana avy any amin’ny repoblika entim-bahoaka ny Sina.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *