Socio-eco

MARIE STOPES: Raim-pianakaviana 2780 namatotra ny fantson’ny filahiany.


Fomba fanabeazana aizana natao ho an’ny lehilahy ny “Vasectomie”. Natokana ho an’ny ireo mpivady tsy maniry ny hiteraka intsony satria efa ampy ny isan-jaza ilaina. Raha ho an’ny ny toeram-pitsaboana Marie Stopes, nanomboka tamin’ny 2006 no mankaty dia raim-pianakaviana miisa 2780 no resy lahatra ka nampiasa ity fomba fandrindram-piterahana ity.

Miezaka manaparitaka ny fomba fanabeazana aizana ny Marie Stopes mba hisorohana ny vohoka tsy niriana sy aloha loatra. Maro azo isafiadianana tsara izany na ho an’ny lehilahy na ny vehivavy ary efa betsaka ireo mampiasa azy ireo.

Anterivava: RAZAFINIRINASOA Lalaina

“Sakana tsy mampandroso ny tokan-trano ny fahabetsahan’ny zaza ateraka. Tsy mifanaraka amin’ny fidiram-bola akory ny isan’ny zanaka ka mahatonga ny fanabeazana ny ankizy ho tsy zarizary. Raha tokony hanampy ny ray aman-dreny izy ireo, rehefa lehibe, vao maika ho lasa vesatra indray”. Ny fanabeazana aizana no vahaolana azo aroso.

Amin’ny maha tobim-pahasalamana manaparitaka ny fandrindram-piterahana eto Madagasikara an’ny Marie Stopes, nanamafy ny fampiasana ny vasectomie na fomba famatorana ny fantson’ny filahiana izy ireo nandritra ny andro maneran-tany ho an’ny vasectomie. Isaky ny faha-18 novambra no daty natokana hankalazana izany.

Nirina R.

HORONANTSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *