Socio-eco

MARIE STOPES MADAGASCAR: Nitombo ny tokantrano nahita voka-tsoa tamin’ny fandrindram-piterahana.


Vohoka tsy niriana 273.000 no voasoroka noho ny fampiasana fomba fandrindram-piterahana. Tamin’ny  alalan’ny tetikasa SIFPO 2, afaka nanaparitaka ny fomba fanabeazana aizana manerana ny faritra 22 ny Marie Stopes Madagascar  (MSM). “Nandritra ny  fito taona no namatsy vola ity tetikasa ity ny  vahoaka Amerikana (USAID). Efa nisy ny andiany voalohany ary nifarana tamin’ity volana  septambra 2017 ity  ny andiany faharoa”, hoy ny Tale’ny fandaharan’asa ny MSM, Lalaina RAZAFINIRINASOA.

Manodidina ny  680.000  teo  fomba fanabeazana  aizana naparitaka. Tafiakatra 16% ny vehivavy resy lahatra tamin’ny fampiasana ireo karazana fomba fandrindram-piterahana toy ny fihinanana pillule, fanaovana DIU,fampiasana fimailo… Nambaran-dRamatoa  Lalaina RAZAFINIRINASOA hatrany    fa noho ny fampahafantarana ny tombontsoa azo avy   amin’ny fandrindram-piterahana,  300 isan-taona ny lehilahy nisafidy ny Vasectomie, nandritra ny fe-potoanan’ny tetikasa.

Hitohy ny fanentanana.

Na dia tapitra aza ny fiaraha-miasan’ny MSM amin’ny USAID, mitohy  ny famporisihana ny tokantrano Malagasy handrindra ny fiterahana. Mpiara-miombona antoka hafa indray no hiara-hisalahy amin’ny MSM amin’ny fanatanterahana izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *