Socio-eco

“MARCHÉ O’SOLDES”: Telo andro hanomanana ny paka


Lamaody hiaka farany ho an’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy hita mandritra ny hetsika “Marché O’soldes”. Manomboka ny 23 ka hatramin’ny 25 martsa 2018 eny Village Voara Andohatapenaka ity hetsika ara-barotra karakarain’ny “BCOM AND C” ity. Ankoatra ny lamaody, fotoana ahafahan’ny mpitsidika mividy ireo fitaovana momba ny informatika, finday, sakafo sy ny maro hafa ny hetsika ara-barotra “Marché O’soldes”, andiany voalohany.
Fihenam-bidy goavana
Ny 01 Aprily ny fetin’ny paka amin’ity taona 2018 ity. Manana telo andro ny mpianakavy hanomanana ny fety fahatsiarovana ny nitsanganan’i “Jesoa Kristy” tamin’ny maty sy ny alatsinain’ny paka. “200 ny trano heva hampiaina ny varotra fampirantiana. Mampiavaka ny hetsika karakarainay ny fihenam-bidy 5 ka hatramin’ny 75 % ny vidin’ny entana”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny “BCOM AND C”, Daniel Andriamalala. Manaraka izany, hanamarika ny hetsika ihany koa fanentanana sy fialamboly maro isan-karazany natao ho an’ny mpitsidika tonga eny an-toerana. Hisy ihany koa ny fisarihana mety ahazoana loka toy ny vata fahitalavitra “TV Ecran Plat”, vata fampangatsiahana, “moto scooter”, fanaka… 2000 Ariary ny vidim-pidirana ary 20.000 ny mpitsidika handrasany mpikarakara.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *