politique

MANGAMANGA NY SARY: Mangataka ny hanafoanana ny fifidianana


Mitaraina avokoa ny  kandida amin’ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika. Mifanesy maneho hevitra ireo mpanao politika momban’ny fisian’ny hala-bato. Fanontaniana mipetraka anefa, iza no mangala-bato ? Nampiseho porofo teo anatrehan’ny mpanao gazety ny « commission juridique » n’ny kandida Hery Rajaonarimampainina laharana faha-12 fa misy ny  hosoka sy hala-bato. Nasehon’izy ireo tamin’izany ny bileta tokana maro be efa voamarika sy vita sonian’ny mpikambana ao amin’ny birao-pifidianana. Noesorina tao anaty vata ireto bileta ireto ary nosoloina vato hafa raha ny nambaran’izy ireo.  Nisy ihany koa ny fampiasana vata fandatsaham-bato tsy mangarahara (urne non transparent) hafa tamin’ireo birao-pifidianana miisa 600  manerana ny nosy. Io andro io ihany no nametrahan’ity « commission juridique » ity fitoriana teny amin’ny Fitsarana Avo momban’ny lalam-panorenana ny momba izany hala-bato izany. Votoatin’ity fitoriana ity ny hanafoanan’ny HCC ny fifidianana ho filoham-pirenena vao vita ny 7 Novambra 2018 lasa teo. Tsy ekena ny fanosihosena ny tena safidim-bahoaka  marina. Hiady hatramin’ny farany ny hisian’ny mangarahara ny kandida laharana faha-12. Ankoatra izay, ny fanambaran’ity « commission juridique » ity ny fisian’ny fampihorohoroana sy fanakorontanana ny kandida laharana faha-12 nandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra.

Dia mety hitsoka mankaty Madagasikara ve ny rivotra tany Kenya tamin’ny taona 2017 ? izay nanafoanan’ny « Cour suprême » ny fifidianana filoham-pirenen’izy ireo ny 08 Aogositra 2018. Marihana fa noho ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana no antony izany. Voalohany taty Afrika izany toe-javatra izany ka mety ho laharana faharoa ve i Madagasikara ?

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *