Socio-eco

MANDRIMENA ANDOHARANOFOTSY: Nahatratra rongony ny polisy


Samy manao ny asany na ny mpanao ratsy na ny polisy manenjika azy ireo. Iaraha-mahalala ny zava-dratsy ho entin’ny mpidoroka sy mpifoka ny rongony amin’ny fiaraha-monina. Tratran’ny polisy avy ao amin’ny Commissariat Central Atsimondrano ny Asabotsy 16 martsa 2019 maraina ny rongony valoambinifolo gony milanja 400kg teny Mandrimena, Andoharanofotsy. Mandrimena Andoharanofotsy - rongonyFiaraha-miasa sy vaovao mari-potitra avy tamin’olona tsara sitrapo no nahafantarana izany. Fantatra tamin’izany fa misy rongony maro be mitoby ao Mandrimena Andoharanofotsy. Nandray ny andraikiny sy nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy ka nahatratra fiara Sprinter maitso iray mijanona eo amin’ny arabe miaraka amin’ny saoferany. Feno gonina rongony tao anatin’izany fiara izany. Nogiazana ireo entana ireo ary nanaovana famotorana ity lehilahy voasambotra ity izay nilaza ho saoferan’ilay fiara. Efa eo am-panarahan-dia izay mety ho tompon’ireo entana ireo sy izay mety ho mpividy ny polisy amin’izao fotoana izao. Andrasana noho izany ny atidoha mpanao izao asa mahadomelina ny mpiray tanindrazana izao ary manantena ny olom-pirenena fa ho tratra tsy ho ela izy ireo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *