politique

Mandan’ny Tia Tanindrazana Malagasy : « Tompon’antoka ny HCC, CENI, CFM…raha misy ady eto »


Hamerenana ny hasin’ny tanindrazana sy ny vahoaka Malagasy ny vovonana « Mandan’ny Tia Tanindrazana Malagasy ». Tsy hanavahana na iza na iza fa afaka miditra avokoa ary tsy misy loko politika. Antsoina koa ireo olom-pirenena tena tia tanindrazana marina.
Hanambatra ny malagasy ihany koa ny vovonana. Ny antony nananganana ity vovonana ity, hoy i James Ratsima dia ny hisakanana ny fifidianana izay ezahin’ny mpitondra ankehitriny atao amboletra. Tsy hanaiky ny handehanan’ny fifidianana ity vovonana ity. Tokony alamina avokoa aloha ny zavatra rehetra vao hirosoana ny fifidianana. Ho tomponandraikitra amin’ny fampiadiana ny Malagasy ny HCC, CNI, CFM ary ireo andrimpanjakana mijoro rehetra ireo raha misy rà latsaka amin’ity fifidianana ity, hoy ny fanazavany.
Manatanteraka ny baikon’ny vahiny avokoa ireo rehetra ireo, hoy izy. Noho izany, mila alamina aloha ny zavatra rehetra mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena. Anisan’izany ny fanovàna ny lalampanorenana. Fanjakan’ny vahoaka malagasy no hatsangana. Ny Fokontany sy ny vondrom-pokonolona no tompon’ny zavatra rehetra. Izy ireo ihany koa no mandidy sy manapaka fa tsy ny vazaha mitondra vola be miditra eny Ivato, hoy hatrany izy. Nomarihany fa na ny vola kirakiraintsika aza mbola avy any ivelany. Raha tiana handray andraikitra ny Malagasy rehetra dia miainga amin’ny tantsaha, fokonolona, fokontany ary mankany amin’ny isan’ambaratongany. Efa tafatsangana ny « Mandan’ny Tia Tanindrazana Malagasy » manerana an’i Madagasikara.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *