politique

Mankany amin’ny lalan’ny faharavana ny CSANR.


Tsy ela akory izay no nanoratana ny momba ity CSANR ity teto amin’ny delireMadagascar. Nisy ny vaovao momba azy ireo androany 09 jolay 2017.

Niezaka hanarina ity fikambanana CSANR na « Club de soutien Andry Nirina Rajoelina » ity ireo mpikambana sasantsany ka nanatanteraka fivoriana be . Tonga teny an-toerana anefa ireo olon’ny  mpitantana  ny « collégiale » nitarika olona izay tsy tokony hanatrika izany. Efa nisy fandaminana  sy laha-dinika tokony narahana hoy ny fanazavana. Nisy ny fandaminana sy ny zavatra ho dinihina tamin’io fotoana io kanefa dia niteraka gidragidra sy korontana izany teo am-pidirana. Mety ho tonga amin’ny faharavany ity CSANR raha izao no mitohy. Mahamenatra ny zavatra nitranga. Dia ho sanatria ve ireny no mpanohana ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry RAJOELINA ? Ny fizarana vola mandeha ihany. Raha ny fanazavana azo, tsy tao anatin’ny laha-dinika ny fifidianana ny filohan’ity CSANR ity kanefa natao amboletra izany. Nanaiky  ny manam-pahendrena mba tsy hisian’ny korontana . Azo lazaina mihitsy aza fa nanaiky tsy fidiny ny nanaovana io fifidianana io. Ny fantatra hatreto anefa, tsy mbola nisy ny taratasy fametraham-pialan’ny filoha. Raha ny tazana nandritra ny fifidianana , tsy nisy na iray aza nampiseho ny karatra maha mpikambana azy ireo na ny kandida na ireo nifidy. Noho izany tsy fantatra intsony ireo nifidy tao ireo na tokony hifidy na tsia. Ka asa na ara-dalana izany na tsia ? Raha mbola mitohy izao, ny filoha Andry Rajoelina mihitsy no ho potika tanteraka amin’ireto milaza fa tia azy ireto izay manaotao foana. Misy amin’ireto mpikambana ireto no mangataka ny filoha Andry Rajoelina mba hanadio ny manodidina azy indrindra ireo mpanao politika tsy mitsinjo afa tsy ny tombotsoany sy ny seza tiany ho azo ka manao izay hidirana ao amin’ny Klioba.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *