Socio-eco

MAHARANTE Jean de Dieu : Valin-kafatry ny Tolon’ny Mpiasa


Tsy nangina ny Sekretera Jeneralin’ny Sendika TM (Tolon’ny Mpiasa) Andriamanana Tiana, fa nilaza ny heviny mikasika ny fanambaran’ny Minisitra Maharante Jean de Dieu. Anterivava.

Délire Madagascar (DM): Manan-kambara Andriamanana Tiana SG-n’ny TM, manoloana ny fanambarana nataon’ny Minisitra Maharante?

Andriamanana Tiana (AT): “Isaorana ny Minisitra nanao iny valan-dresaka iny. Tsapa fa mieritreritra momba ny tontolon’ny asa izay hiankinan’ny fiainam-pirenena tokoa izy, satria ny mpiasa dia vy miaina sy manentana ny fihariankarena. Koa raha ratsy fitantana ireo dia ho sahirana tokoa isika Malagasy. Ny tianay ambara anefa dia mahita izahay fa tsy tokony handeha ila ilay resaka, fa mba misy zavatra tokony ho jerena koa amin’ny fanatanterahana azy, satria hiankinan’ny fiainan’ny mpiasa manontolo mihitsy.”

DM: Inona ary no sosokevitrao mba tsy ho kiana fahatany fotsiny?

AT: “Asa aman’andraikitry ny Minisitera sy ny Fanjakana mihitsy io tadiaviny hatao io. Tsy sanatrian’izany singa manokana io na “exception” fa tena asa atao mihitsy. Ny tianay ho tenenina fotsiny dia manira-tena ny Fanjakana manao an’io, fa tsy miandry Mpiasa mitaraina. Satria tokony ho tadidiana fa tsy ireo orinasa manao “gardiennage” na manao fiarovana ireo ihany no misy fianjadian’ny tsy fanarahana ny raharaha arak’asa eto Madagasikara, na ny Lalàna mikasika ny asa. Koa miteny izahay fa manira-tena ny Minisitera fa tsy miandry ho antsoina, na misy manao fitarainana vao manao azy. Ary betsaka ny orinasa izay tsy ao anatin’ny “zone franche”, izay tsy ao anatin’ny “gardiennage” no tsy manaraka ny Lalàna mikasika ny asa, sady tsy manao “contract” no tsy manao fiahiana ara-tsosialy, tsy manao ny “déclarations” rehetra mikasika ny mpiasa, ka tokony hanira-tena. Ny fanontaniana mipetraka dia apetrak’Ingahy Minisitra amin’izay handimby azy eo io, hitenena hoe ny Fanjakana mihitsy izany no manao an’io fa tsy mifidy olona. Izay no tianay apetraka eo anivon’ny zavatra nampanamboariny.”

DM: Efa azon’ny TM antoka angaha fa ho dimbiasana tampoka Rangahy io fa tsy hatezateza eo?

AT: “Tsy manana antoka amin’izany izahay. Fa ny teneninay dia na izy no eo, na olon-kafa, satria raharaham-panjakana no atao, dia tohizana io fa tsy indray mipaoka na indray mielatra hoatra izao.”

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *