Socio-eco

MAHABIBO : Seha-pihariana mahaliana ny tantsaha aty amin’ny distrikan’Ambilobe


11.000 hektara ny mahabibo eto Madagasikara. Nitombo 575 hektara ny misy mahabibo vaovao nadrindra ny roa taona nisian’ny tetikasa AFAFI-Nord-AF, vatsian’ny vondrona Eropeanina ( UE ) sy ny Ministera federalin’ny Alemana momba ny Fiarahamiasa ara-toekerena sy Fampandrosoana (BMZ) vola ao anatin’ny fandaharan’asan’ny PAGE2/GIZ. Ny NITIDAE dia manana traikefa momba ny mahabibo aty Afrika no miandraikitra ity ny famokarana ny mahabibo  ao anatin’ny tetikasa AFAFI-Nord-AF. MAHABIBO kaoperativa KingaSeha-pihariana iray ny mahabibo aty amin’ny Distrikan’Ambilobe, faritra Diana.  Nanomboka ny taona 2020/2021 no niaraniasa tamin’ny tetikasa AFAFI-Nord-AF ny NITIDAE. « 4.000 taonina tany amboalohan’ny tetikasa ny vokatra mahabibo teto amin’ny distrikan’Ambilobe. Heritreretina ho 5.600 taonina  izany amin’ity taona 2022 ity », hoy i Mahefa Christian Olivier,  mpandrindra ny tetikasa ao amin’ny NITIDAE. Efa mandeha ny fanondranana ankehitriny. Vidiny eny am-potony 2.000 Ariary ny kilao hividianan’ny mpanangom-bokatra azy.  3.000 Ariary kosa no nividianan’ny  kaoperativa  Kinga izay manodina ny voany ka mamatsy ny tsena anatiny. Marihana fa ity kaoperativa ity dia sahanin’ny NITIDAE. Efa azo jifaina eny amin’ny fivarotana lehibe manerana an’i Madagasikara ny vokatra mahabibo vokarin’ity kaoperativa  ity.  8.000 taonina ka hatramin’ny 10.000 taonina isan-taona ny mahabibo ahondran’i Madagasikara any ivelany. Vinavinaina ho 5.200 taonina ny vokatra amin’ity taona ity eto Ambilobe. Tanjon’ny NITIDAE hanatsara ny farimpiainan’ny olona izay misehatra amin’ny mahabibo. Tantsaha miisa 1.500 mamboly mahabibo no miaraka amin’ny NITIDAE. Misy famindram-pitantanana ihany koa ny tetikasa famokarana mahabibo.

Ra-Nirina

Horonan-tsary:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *