Socio-eco

MAGE 4 TAO ANTSAHAMANITRA : Fahombiazana ho an’ny mpikarakara


Niavaka ny fampisehoana nataon’ny MAGE 4 izay nokarakarain’i IVENCO tamin’ny alahady 25 Aogositra 2019 lasa teo. Nanaraka ny fanentanana nataon’ny mpiakarakara ny hanaovana lobaka « carreaux » ireo mpitia ny gadona rock indrindra ny mpankafy ny tarika MAGE 4. Saingy tsy miala amin’ny akanjo mainty  natao ivelany sy fiakanjo manamarika ny maha-rock ny fampisehoana kosa anefa izy ireo. Fahombiazana noho izany ny hetsika satria tonga maro ireo mpitia ny MAGE 4. Anisan’ireo mpanakanto nijery ny fampisehoana  ny tarika Kiaka, Jacquot mianakavy ao amin’ny tarika Green, tazana teny ihany koa i Colombes. MAGE 4 1Raitra ny fampisehoana na teo amin’ny fanamisam-peo izany na ny jiro natao ho haingon’ny fampisehoana. Nohirain’ny tarika MAGE 4 avokoa ireo hira nahafantarana azy hatrizay toy ny  aza hitserana, ampy izay….teo ihany koa ireo hira vaovao. Hisy noho izany ny rakin-tsary vaovao maromaro hivoaka, hoy i Ken. Tsy hita tao Antsahamanitra nandritra ity fampisehoana ity i Lita. Araka ny vaovao azo dia tsy ho ao anatin’ny tarika intsony izy noho ny antony asa ataony any ivelany. Fahombiazana noho izany ny hetsika ary afapo ny mpikarakara. Nilamina amin’ny ankapobeny ny teny an-toerana na teo aza ny fifamaliana kely sy saika nisian’ny fifampikasian-tanana  teo amin’ny tomponandraikitry ny filaminana sy ny mpijery vitsivitsy tamin’ny lalana tokony alehan’izy ireo nandritra fialan-tsasatry ny fampisehoana. Manome toky ny tomponandraikitry ny IVENCO fa hiezaka hanatsara hatrany amin’ny fikarakarana fampisehoana izy ireo. Naharitra adin’ny efatra ny fampisehoana nataonn’y tarika MAGE 4 ary nofaranana tamin’ny afomanga izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *