Socio-eco

MADAGASCAR NATIONAL PARKS: Ny fanalahidy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro


Efa mizaka ny voka-dratsiny ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Miseho amin’ny alalan’ny fiakaran’ny maripana antonony isan-taona izany. Tafakatra  2° C  ny maripana any amin’ny faritra sasantsasany. Tsikaritra ihany koa tamin’ny farany teo ny fahalavan’ny vanim-potoana ny main-tany ho an’ny faritra Atsimo sy ny fiakaran’ny rotsakorana tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, ny fisian’ny  tondra-drano  ary ny voka-dratsy ateraky ny fahamafisan’ny  rivo-doza. Manimba ny  toekaren’ny firenena ary mampitombo ny fitotonganan’ny fari-piainan’ny mponina fa indrindra ny fahasimban’ny  zava-boahary maro karazana eto Madagasikara izany rehetra izany, araka ny fanazavan’ny MNP ( Madagascar National Parks).

 Mitana andraikitra lehibe manoloana ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny  toetr’andro ny fahaizana mitantana tsara ny faritra arovana. Manampy amin’ny fikajiana ny zava-boahary, mandrindra ny rohivoahary sy mampihena ny loza ateraky ny toetr’andro ny fahaizana mitantana azy. Raha ny tarehimarika voaray dia misarika mpizahan-tany 180.000 isan-taona ireo vala-java-boahary eto Madagasikara. Ho fanamafisana ny fiarovana sy fikajiana ireo vala-java-boahary indrindra no antom-pisian’ny tetikasa ho fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny alalan’ny fiarovana ny zava-boahary na ny PRCPB. Ny UICN  (Union Internationale pour la conservation de la nature) no misahana ity tetikasa vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana (BAD) vola ity. Ny MNP kosa no mandrindra izany ary vala-java-boahary miisa 14 no hahazo tombontsoa. Nisy ny atrikasa nanaovana tombana ny 15 mey 2019 lasa teo mba hampahomby ny fanatanterahana ny tetikasa PRCPB.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *