Socio-eco

MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Hitari-dalana ny tanora momba ny lamaody


Hitondra tombontsoa lehibe ho an’ny tanora Malagasy ny fitsidihana ny ny hetsika “Madagascar fashion week Océan Indien”. Ny 24 ka hatramin’ny 28 septambra 2018 eny amin’ny IKM Antsahavola no hanatanterahana ny  andiany faha-efatra  amin’ity hetsika ara-koltoraly ity. Mpamorona lamaody  folo mahery hampiseho an’ireo akanjo, poketra, firavaka, taovolo sy ny maro hafa  ampiasaina amin’ny vanim-potoana  mafana taona 2018 – 2019. Mampiavaka ity andiany ity ny fampahafantarana sy fanoroana lalana ny tanora ny asa rehetra mifandraika amin’ny lamaody, ny kanto ary ny kolontsaina. Noho izany, “fotoana iray ahafahana mihaona amin’ireo mpiantsehatra momba ny lamaody  ny hetsika tahaka izao”, hoy ny Filoha mpanorina ny Madagascar fashion week Océan Indien, Alexandre Rakotoson.

Asa maro

Miteraka asa maro ny  sehatry kolontsaina. Ankoatra ny asa famoronana momba ny lamaody dia asa mifandraika amin’ny kolontsaina ihany  koa ny fikirakirana ny serasera, ny asa fanaovan-gazety, ny fangalana sary, ny filatroana…Hizara ny traikefa sy hanoro ny lalana nodiaviny ireo efa miasa amin’ireo sehatra ireo mandritra ny dimy andro. Ho an’ireo tanora liana amin’ny “looking” na “relooking” dia ao anatin’ny programa mandritra ny hetsika izany, araka ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany. Maimaim-poana ny fidirana ao anatin’ny efatra andro voalohany. Ny 28 septambra 2018 manomboka amin’ny 8 ora alina kosa dia hisy ny fampisehoana ireo lamaody, taovolo amin’ny alalan’ny filatroana ataon’ireo manam-pahaizana momba izany.

Lynda A.


One comment on “MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Hitari-dalana ny tanora momba ny lamaody

  1. Pingback: MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN: Hitari-dalana ny tanora momba ny lamaody - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *