Socio-eco

« MADAGASCAR FASHION WEEK OCÉAN INDIEN »: Hetsika ara-tsosialy ny ao ambadikany


“Izay tombony azo amin’ity “festival Madagascar fashion Week Océan Indien”, andiany faha-4 ity dia entina hiantohana ny fitaovam-pianaran’ireo ankizy any Beroroha, Toliara II, Sainte-Marie, Mananjary”, hoy ny filoha mpanorina ny hetsika, Alexandre Rakotoson. Nanomboka ny alatsinainy 24 septambra ary hifarana ny zoma 28 septambra 2018 ity hetsika ara-koltoraly ity. Mampiranty ireo asa famoronana momba ny lamaody sy ny kojakoja manodidina izany ireo mpiara-miasa amin’ny « Madagascar fashion week Océan Indien ». Ny fikambanana “jeunes volontaires” no mikarakara azy ity. Mifandrimbona amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny ivon-toeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) ao Antsahavola, ny ivon-toeram-pampiofanana taovolo sy endrika amam-bika IPAC…Lohahevitra tamin’ity andiany ity ny fampirantiana ireo lamaody ilaina amin’ny andro mangatsiaka aty amin’ny tany mafana. Nambaran’ny mpikarakara fa manotrona ny “festival” ireo mpilatro avy ivelany ka hitondra ny vokatra Malagasy sy avy amin’ny ranomasimbe Indiana ireto mpilatro vahiny ireto miaraka amin’ny mpilatro Malagasy.
Nitsidika ny hetsika ny ministry ny kolontsaina sy ny asa tanana tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 24 septambra 2018. Nilaza izy fa mahavelom-bola ny hetsika tahaka izao satria manandratra ny maha Malagasy amin’ny alalan’ny akora ampiasaina, mampahafantatra ny kolontsaina Malagasy amin’ny alalan’ny taovolo nentim-paharazana, manasongadina sy mampiseho ny fifehezana ny asa famoronana sy ny traikefa amin’ny sehatry ny lamaody. Aorian’izao dia hampandray anjara ireo mpisehatra eto amin’ny “Madagascar fashion week Océan Indien” mandritra ny Malaysia fashion week ny mpikarakara.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *