Socio-eco

MADAGASCAR ATBC 2019 : Fihaonaben’ireo mpikajy ny tontolo iainana


Loza mihatra amin’izao tontolo izao ny fahasimban’ny tontolo iainana. Miezaka ny rehetra ny tokony atao amin’ny fomba  afahana mikajy izany. Anisan’izany ny fikambanana Amerikana “Association for Tropical Biodiversity and Conservation” (ATBC).  Tanterahana eto Madagasikara ny fihaonabe fanaon’izy ireo isan-taona amin’ity taona 2019 ity. Fihaonabe faha-56 ny ATBC no atao etsy CCI Ivato izay nanomboka tamin’ny talata 30 Jolay 2019 ka hifarana amin’ny 03 Aogositra 2019 ho avy izao. Mpikaroka sy mpiaro ny zava-boahary sy ny tontolo iainana avy amina firenena 59 ary miisa 800 ireo mpandray anjara amin’ity fikaonan-doha ity.  Nosafidiana manokana i Madagasikara hampiatrano an’ity fihaonana ity noho izy miavaka eo amin’ny zavaboahary ananany.  Iaraha-mahafantatra fa mahery ny 90 %-n’ny karazana biby sy zava-maniry misy eto amintsika izay tsy hita afa tsy eto Madagasikara irery ihany. Indrisy anefa fa noho ny antony maro, fa indrindra noho ny fahantran’ny mponina eny ambanivohitra dia tsy voaaro intsony izany harena voajanahary izany.  Ilaina noho izany ny  fandrindra ny filàn’ny mponina sy ny fiarovana ny zavaboahary mba hisian’ny fampandrosoana maharitra. Hahatongavana amin’izay indrindra no nisafidianana ny lohahevi-dehibe hoe ”Biologie Tropicale et développement durable” na ny “Ny zava-boahary sy ny fampandrosoana maharitra” itondrana ity fikaonan-doha ity.

Marihana fa eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Ala ny fihaonabe « Madagascar ATBC 2019 » ary ireo mpiaramiombon’antoka samy hafa. Mpandrindra ny hetsika miaraka amin’i ATBC kosa ny fakioliten’ny siansa eny amin’ny oniversiten’Anatananarivo .

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *