Socio-eco

LIONS CLUB AMBOHIBAO LAKA: Nikarakara fitiliana diabeta faobe


Manakorontana ny fahasalamana ny diabeta. Anisany asa fototra iantsorohan’ny Lions Club International ny resaka diabeta. Noho izany dia nikarakara hetsika fitiliana faobe manerana an’i Madagasikara izy ireo nandritra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta ny 14 Novambra 2020. Ny district 417 manokana dia nisafidy ny hanao fitiliana maimaimpoana teto Antananarivo. Nizara isaky ny « zone » izy ireo. Ny « zone » 32 misy ny lions club Ambohibao Laka dia teny amin’ny kaominina Antehiroka no nanatontosan’izy ireo izany fitiliana faobe izany. Nandritra izany fitiliana izany no nahitana fa olona sivy no voan’ny diabeta tamin’ireo 160 notiliana, hoy ny filohan’ny Lions Club Ambohibao Laka, Andrianarijaona Rasolo Hary. Tsy mijanona amin’ny fitiliana fotsiny ihany anefa ny hetsika natao fa nisy ny fanentanana sy tosika mba ahahy hitaiza vatana ny olona. Ity hetsika ity dia teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fahasalamambahoaka. Teo ihany koa ny AMADIA, Repdia, sight first Madagascar. Tsy hijanona hatreo ny hetsika fa hitohy amin’ny fanentanana mandritra ity volana Novambra ity izay volan’ny Diabeta. 4% ny mponina eto Madagasikara no voan’ny diabeta raha ny namabaran’ity filohan’ny lions club Ambohibao Laka ity.

Marihana fa noho ny ho fitandroana ny fahasalamana amin’ny fanajana ny fepetra sakana no antony nizarana ireo toerana nanaovan’ny Lions club international ny hetsika toy ny teny Alasora…

Nirina R.


One comment on “LIONS CLUB AMBOHIBAO LAKA: Nikarakara fitiliana diabeta faobe

  1. Pingback: LIONS CLUB AMBOHIBAO LAKA: Nikarakara fitiliana diabeta faobe - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *