Evenement

Lehiben’ny Faritra mpisolo toerana ao Boeny : Tena ilaintsika ny fakan-kevitra ho an’ny politikam-pirenena ho fampandrosoana


Atao eto an-dRenivohitry ny Faritra Boeny eto Mahajanga  nanomboka ny Alatsinainy 14 Oktobra 2019 hatramin’ny Zoma 18 Oktobra 2019 ho avy izao ny fakan-kevitra iray ho fametrahana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana. Raisin-dry zareo eo anivon’ny PAGE/GIZ an-tanana ny fikarakarana ity fakan-kevitra ity…, ary tohanan’ny vondrona eraopeana sy ny BMZ.

Tombony lehibe ho an‘ ny faritra Boeny ny hanaovana ny atrikasa momba ny fakan-kevitra amin’ny fametrahana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ny foto-drafidrasa sy ny fampitaovana (politique nationale de développement des infrastructures et équipements), hoy ny lehiben’ny Faritra Boeny mpisolo toerana Bazezy Vonombe Clovela Roslan.

Raha ny hevitra dia ireo mpisehatra rehetra ho amin’ny fampandrosoana eto amin’ny faritra Boeny no mamosaka ny heviny amin’ny fametrahana io politikam-pirenena io. Raha ho an‘ ny Faritra Boeny manokana dia efa misy ny PRD (plan régionale de développement) izay voafaritra ao anatiny ao ihany koa ny fampandrosoana amin’ny resaka hoe foto-drafitrasa tena ilaina ankehitriny.

Tombony lehibe ihany koa ny fisian’ny politikam-pirenena mba hisian’ny fandrindrana eo amin’ny fanaovàna fotodrafitrasa. Raha ny zava-misy dia misy ireo mpamatsy vola saingy maro ihany koa ny fifanitsahana eo amin’ny tompon’andraikitra izay tokony handray ny fanaovana ireo fotodraditrasa.

Ampifandraisina amin’izay iraisana amin’izao vaninandro iainantsika izao io politikam-pirenena io. Tsara ho marihina fa ao anatin’ny fametrahana ny Governora ihany koa isika amin’izao fotoana izao raha ny fanazavana, nentin’ny lehiben’ny Faritra mpisolo toerana eto Boeny ary mazava tsara hoe inona ny foto drafitrasa tokony hatao ary izay maka indrindra, ary koa hoe aiza ny toerana hakàna famatsiambola amin’ny fanahiana ireo fotodrafitrasa ireo.

Raha ho an‘ ny distrika Ambato Boeny manokana, ohatra, dia ny fanokafana ireo lalana amin’ny toerana mamokatra no zava-dehibe. Tato ho ato dia tsapa fa tratra aoriana ny fanaovana fotodrafitrasa raha miohatra amin’ny ny fitombon’ny mponina, hoy hatrany ny lehiben’ny faritra Boeny.

Miora RAZAFINDRAMANITRA


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *