Socio-eco

LEADERSHIP CHRETIEN ET DEVELOPPEMENT: Tetikasa goavana ny « auditorium »


Vinan’asa tontosain’ny fikambanana « Leadership Chrétien Développement » na LCD ho an’ny taona 2018 – 2019 ny fanamboarana « auditorium » . Vinavinaina ho mahazaka olona 2800 izy ity ary eny amin’ny kaominina Ampitatafika no hanaovana azy. “Sehatra iray ahafahan’ny kristianina rehetra tsy ankanavaka mifandray, hampivoarana ny kolontsaina sy ny toe-karena ity tetikasa goavana ity”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana LCD, Herilala RAJOELISON nandritra ny lahateniny tamin’ny fihaonambe iraisaim-pirenena, teny amin’ny CCI Ivato ny 11 martsa 2018.

Hanasoa ny kristianina

Hetsika fanao isan-taona ny fihaonambe. Fotoam-pankasitrahana an’ Andriamanitra noho ny taona vaovao sy fanambarana ny tetikasan’ny fikambanana ho tanterahina ihany koa izany. Nanome voninahitra ny lanonana ireo mpandraharaha avy any Sina, Amerika, Afrika, “Italie”. “Nirahin’Andriamanitra hanasoa ny kristianina Malagasy ireto mpandraharaha vahiny ireto”, hoy hatrany filoha mpanorina ny LCD. Ohatra amin’izany ny fandraisan’ireo mpandraharaha sinoa an-tanana ny fanamboarana ny “auditorium”.

Mpitarika mendrika

Amin’ny maha fikambanana mampivondrona ireo kristianina, foto-kevitra ijoroan’ny “Leadership Chrétien Développement” ny fahaiza-mitantana. Raha te hanangana mpitarika mendrika dia mila mahay, matihanina na manana traikefa, manome lanja ny maha olombelona aloa izy”. Izany indrindra no antony hanamboaran’ny LCD oniversite momba ny fahaiza-mitarika. “Hanampy tosika amin’ny fampitana ny fahaizana amin’ireo mpianatra ny oniveriste “Harvard” any Etazonia, hoy ny tomponandraikitry misahana ny tetikasa, Virginie RAZAFINDRAKOTO.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *