politique

LEADER FANILO: Ampiharana ny lalana ireo mbola miziriziry manohitra ny birao nasionaly.


Vokatry ny fihoaram-pefin’ny sasany izay mikasa hanatanteraka  filan-kevitra hafa  no nahatonga ny Birao nasionalin’ny Leader FANILO nampiakatra ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Izay tarihin’i Jean Max  RAKOTOMAMONJY ihany  no ara-dalana. Nivoaka ny didim-pitsarana ka nanome rariny an’ireto farany. Manomboka izao, ampiharana ny lalana ireo mitonona ny anaran’ny antoko any ambadimbadika any , hoy Toto Alphonse, Filoha lefitra miadidy ny faritany Toamasina.

Anterivava :

Nitondra fanazavana mahakasika ny disadisa misy ao anatin’ny antoko ny birao nasionaly androany. Nivoitra tamin’izany fa “iray ihany ny Leader FANILO”. Manaporofo izany ny fisian’ny foibe eny Antsahabe.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *